Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko voalohany

22 Fa ny Jody mila famantarana; ny jentily mitady fahendrena; 23 ary izahay kosa mitory ny Kristy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny jentily; 24 fa ny Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na jentily. 25 Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4148