Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-12

3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka hanao hoe: Anatema Jesoa; ary tsy misy afa-milaza hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. 4 Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;

5 maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany; 6 ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7 Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985