Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-15

12 Raha torina ho nitsangana tamin'ny maty àry ny Kristy, ahoana ity ilazàn'ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan'ny maty?

13 Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, na dia ny Kristy aza tsy nitsangana tamin'ny maty; 14 ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty ny Kristy, dia foana ny tori-teninay, foana koa ny finoanareo! 15 Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra, satria tombotomboka foana no nilazanay an'Andriamanitra ho nanangana ny Kristy tamin'ny maty, nefa tsy natsangany izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty. 16 Fa na dia ny Kristy aza dia tsy nitsangana tamin'ny maty, raha tsy mitsangana ny maty. 17 Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, 18 ary very ry zareo nody mandry ao amin'ny Kristy. 19 Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin'ny olon-drehetra, raha amin'ity fiainana ity ihany no anantenantsika ny Kristy. 20 Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.112