Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-15

54 Ary rahefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin'izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona.

55 Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? 56 Fa ny fahotana no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin'ny fahotana. 57 Isaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098