Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-7

32 ka tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; 33 fa ny lehilahy izay manam-bady kosa miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. 34 Toy izany koa ny vehivavy; izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222