Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-7

32 ka tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; 33 fa ny lehilahy izay manam-bady kosa miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. 34 Toy izany koa ny vehivavy; izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. 35 Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin'ny Tompo tsy aman-tsampona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1544