Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko voalohany

18 Araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha-"eny" sy "tsia" ny teninay taminareo. 19 Satria ny Zanak'Andriamanitra dia Kristy Jesoa, izay notorinay sy Silvano ary Timote taminareo, tsy nisy "eny" sy "tsia", fa "eny" ihany no tao aminy. 20 Fa na firy na firy fampanantenana avy amin'Andriamanitra, dia tao amin'i Jesoa ihany ny "eny", ka dia amin'ny alalany sy amin'ny asanay koa no anaovana "Amena", mba ho voninahitr'Andriamanitra. 21 Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin'ny Kristy, fa Andriamanitra, izay naha-voahosotra antsika, 22 sy nanisy tombo-kase antsika koa, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1231