Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-12

7 Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben'ireo fanambarana aho, dia nasiana tsilo tao amin'ny nofoko, dia anjelin'i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako.

8 Ny amin'io dia intelo aho no nangataka tamin'ny Tompo, mba hanalany an'io amiko, 9 fa izao no navaliny ahy: Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin'ny fahalemena indrindra no iamparan'ny heriko. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'ny Kristy amiko. 10 Izany no ifaliako amin'ny fahalemeko, amin'ny fahafaham-baraka, amin'ny fahantrana, noho ny amin'ny Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0538