Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-5

14 Fa terin'ny fitiavan'ny Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an'ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; 15 ary maty ho an'ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay maty sy nitsangana ho azy ireo. 16 Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala ny Kristy araka ny nofo aza izahay; dia tsy araka izany intsony no ahalalanay azy ankehitriny.

17 Noho izany, na iza na iza ao amin'ny Kristy, dia zava-boary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0392