Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-5

6 Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin'ny vatana koa

7 (satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana), 8 dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin'ny vatana, mba hitoetra eo akaikin'ny Tompo. 9 Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahan'ny Tompo, na mitoetra amin'ny vatana izahay na miala aminy. 10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin'ny fitsaran'ny Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin'ny asantsika fony mbola tao amin'ny vatana, na soa na ratsy izany. 11 Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary hianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin'ny konsiansinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.136