Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-8

7 Aoka ho araka ny fahambonianareo amin'ny zavatra rehetra, dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana na amin'inona na amin'inona, ary amin'ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin'ity fahasoavam-piantrana ity.

8 Tsy didy omeko anefa izany, fa fanararaotako ny zotom-pon'ny sasany hoenti-mitsapa ny hamarinan'ny fitiavanareo. 9 Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin'ny fahantrany. 10 Torohevitra fotsiny no omeko etoana, ary ampy anareo izany, satria hianareo ihany no voalohany nanomboka sy namorona ity hevitra ity aza, hatramin'ny taon'itsy. 11 Koa tanteraho àry ny asa ankehitriny, ary aoka tsy ho latsaka noho ny hafanam-ponareo nikasa azy ny fanatanterahanareo azy araka izay anananareo. 12 Fa rahefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao. 13 Satria tsy mety raha ny sasany, alam-pahoriana, hianareo, tra-pahoriana; fa ny fitoviana ihany e. 14 Amin'izao fotoana izao aloha, ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin'izy ireo; dia toy izany koa, ny ambim-bavan'izy ireo no hameno ny tsy anananareo kosa; ary amin'izany dia hisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe: 15 Ny nanangona be tsy nanana ambiny; ny nanangona kely, tsy nanan-tsy ampy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1956