Levitika

Toko faha-10

1 Ary Nabada sy Abiò, zanak'i Aarona, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan'ny Tompo, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.

2 Ka nisy afo nivoaka teo anatrehan'ny Tompo nandevona azy ireo, any ka maty teo anatrehan'ny Tompo izy ireo. 3 Dia hoy Moizy tamin'i Aarona: Efa voalazan'ny Tompo izany tamin'izy nanao hoe: Hohamasinina aho ao amin'izay manakaiky ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan'ny vahoaka rehetra. Sina Aarona. 4 Ary Moizy niantso an'i Misaela sy Elisafona, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Aarona, nilaza tamin'ireo hoe: Manatòna hianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina, any ivelan'ny toby. 5 Dia nanatona ireo ka nitondra azy mbola miakanjo ny tonikiny, nankany ivelan'ny toby, araka ny nandidian'i Moizy azy.

6 Hoy Moizy tamin'i Aarona sy Eleazara ary Itamara: Aza avalenareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty hianareo, ary ho tratry ny hatezeran'ny Tompo ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak'Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitry ny Tompo izao.

7 Fa hianareo kosa aza mivoaka ny varavaran'ny trano lay fihaonana akory, fandrao dia maty hianareo, satria efa mby ao aminareo ny diloilo fanosoran'ny Tompo. Dia nataon'izy ireo izay nolazain'i Moizy. 8 Ary Iaveh niteny tamin'i Aarona nanao hoe:

9 Aza misotro divay na fisotro mahamamo hianao, sy ny zanakao koa, rahefa hiditra ao an-trano lay fihaonana, mba tsy hahafaty anareo; 10 sady hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio, 11 ary mba hahaizanareo mampianatra ny zanak'Israely ny lalàna rehetra nomen'ny Tompo azy ireo, tamin'ny alàlan'i Moizy. 12 Dia hoy Moizy tamin'i Aarona sy tamin'ireo zanak'i Aarona, roa lahy sisa, Eleazara sy Itamara: Alao ny fanatitra sisa avy amin'ny sorona natao tamin'ny afo ho an'ny Tompo, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin'ny otely, fa zava-masina dia masina izany.

13 Hano eo amin'ny fitoerana masina izany, fa anjaranao, sy anjaran'ireo zanakao, avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'ny Tompo, araka ny didy azoko. 14 Eo amin'izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran'ny zanakao, avy amin'ny sorom-pihavanana ataon'ny zanak'Israely. 15 Hoentin'izy ireo ho fanampin'ny sabora voatokana hodorana amin'ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan'ny Tompo; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin'ny Tompo. 16 Ary Moizy nanadina ny amin'ny osilahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin'i Eleazara sy Itamara hany sisa zanakalahin'i Aarona izy, sy nanao tamin'izy ireo hoe:

17 Nahoana no tsy nohaninareo, teo amin'ny fitoerana masina, ny sorona noho ny ota? Fa zava-masina dia masina izany, ary nomen'ny Tompo anareo, mba hitondranareo ny otan'ny fiangonana sy hanaovanareo ny fanonerana ho azy, eo anatrehan'ny Tompo. 18 Ka indro izao fa ny ràn'ny sorona tsy nentina tao anatin'ny fitoerana masina; hianareo koa, tokony ho nihinana azy, teo amin'ny toerana masina, araka ny nandidiako azy. 19 Fa hoy Aarona tamin'i Moizy: Izy ireo androany dia efa nanatitra ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana, teo anatrehan'ny Tompo; fa izaho kosa, noho ny nanjò ahy, moa ho nankasitrahana teo imason'ny Tompo aho, raha nihinana ny sorona noho ny ota androany? 20 Nony nandre izany teny izany Moizy dia nankasitraka izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0916