Levitika

Toko faha-13

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Raha mamontsina ny hoditry ny nofon'ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin'ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin'i Aarona mpisorona izy, na eo amin'ny iray amin'ireo zanany, mpisorona. 3 Dia ho zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin'ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokàna izany, ka rahefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy. 4 Fa raha misy hodi-potsy ao amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy latsaka lalina noho ny hoditry ny nofony no fijery azy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra, dia hanokan-toerana ilay mararin'ny fery, hafitoana, ny mpisorona. 5 Amin'ny andro fahafito hozahan'ny mpisorona indray izy; ka raha tsy nitombo ny aretina araka ny fijeriny azy, tsy nanitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana fanindroany izy. 6 Amin'ny andro fahafito hozahan'ny mpisorona indray izy ka raha mihamatromatroka ny fery, sady tsy nanitatra eo amin'ny hoditra, dia holazain'ny mpisorona fa madio izany olona izany, dia ho madio. 7 Raha manitatra eo amin'ny hoditra anefa ny anakandro taorian'ny nisehoany teo anatrehan'ny mpisorona mba hilazany azy hoe madio, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy, 8 ka hozahan'ny mpisorona; ary raha nanitatra eo amin'ny hoditra ny anakandro dia holazain'ny mpisorona hoe maloto izy; fa habokàna izany. 9 Raha misy ferin'ny habokàna amin'ny olona anankiray, dia hoentina eo amin'ny mpisorona izy ka hozahan'ny mpisorona.

10 Raha misy mamontsika fotsifotsy eo amin'ny hodiny, sady nanjary fotsy azon'izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin'ny mamontsina, 11 dia habokàna efa latsa-paka amin'ny hoditry ny nofony izany, ka holazain'ny mpisorona fa maloto izy; tsy hatokany toerana izy, fa maloto izany olona izany. 12 Raha niely amin'ny hodiny anefa ny habokàna, ka manenika ny hoditr'ilay marary, hatrany amin'ny lohany ka hatrany amin'ny tongony, araka izay rehetra hitan'ny mason'ny mpisorona, dia hozahan'ny mpisorona izy; 13 ka raha manenika ny tenany rehetra ny habokàna, dia holazainy hoe: madio ilay marary; fa tonga fotsy ny tenany manontolo, ka dia madio izy. 14 Amin'ny andro hahitana nofo mihena velona aminy anefa dia haloto izy; 15 ka rahefa hitan'ny mpisorona ny nofony mihena velona, dia holazainy hoe maloto izy, fa maloto ny nofo mihena velona, dia habokàna izany. 16 Raha miova ka manjary fotsy ny nofo mihena velona, dia ho any amin'ny mpisorona izy, 17 ka hozahan'ny mpisorona, ary raha nanjary fotsy ny fery, dia holazain'ny mpisorona hoe madio ilay marary; madio izy. 18 Raha misy olona efa voan'ny fery tao amin'ny vatany, tao amin'ny hodiny, ary efa sitrana izany,

19 nefa misy mamontsika fotsy na fotsy somary mena, eo amin'ny faritra misy izany fery izany, dia haseho amin'ny mpisorona izany olona izany. Hozahan'ny mpisorona izy. 20 Raha toa lalina latsaka ambanin'ny hoditra ilay hodi-potsy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra eo dia holazain'ny mpisorona hoe maloto izy; fa fery habokàna nipoitra ao amin'ilay fery izany. 21 Raha hitan'ny mpisorona kosa fa tsy misy fotsy ny volon-koditra eo amin'ilay hodi-potsy ary tsy latsaka ambany noho ny hoditra izany, sady nihamatromatroka, dia hatokany toerana hafitoana izany olona izany. 22 Raha nanitatra eo amin'ny hoditra ilay hodi-potsy dia holazain'ny mpisorona hoe maloto izy, fa fery habokàna izany. 23 Fa raha nijanona amin'izay nisy azy ihany kosa ilay hodi-potsy fa tsy nanitatra, dia hola-pery izany, ka holazain'ny mpisorona hoe madio izy. 24 Raha misy olona main'ny afo amin'ny vatany, amin'ny hodiny, ka misy hodi-potsy na fotsy somary mena miseho ao amin'ny faritra main'ny afo, dia hozahan'ny mpisorona izany.

25 Raha nanjary fotsy ny volon-koditra eo amin'ilay hodi-potsy, sady toa lalina latsaka ambanin'ny hoditra izy, dia habokàna izany; nipoitra avy amin'ny may izany, ka holazain'ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, dia fery habokàna izany. 26 Raha hitan'ny mpisorona kosa fa tsy fotsy ny volon-koditra eo amin'ny hodi-potsy, tsy latsaka ambany noho ny hoditra izy, sady efa nihamatromatroka, dia hotanany hitokan-toerana hafitoana izany olona izany. Hozahan'ny mpisorona indray izy amin'ny andro fahafito:

27 raha nanitatra eo amin'ny hoditra ilay hodi-potsy, dia holazain'ny mpisorona hoe maloto izy, satria fery habokàna izany. 28 Fa raha nijanona amin'izay nisy azy ihany ilay hodi-potsy, fa tsy nanitatra eo amin'ny hoditra, sady nihamatromatroka, dia ny mamontsina avy amin'ny may izany, ka holazain'ny mpisorona hoe madio izy, satria holatry ny may izany. 29 Raha misy lehilahy na vehivavy voan'ny fery amin'ny lohany na amin'ny saokany, dia hozahan'ny mpisorona ny fery.

30 Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain'ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka. 31 Raha hitan'ny mpisorona anefa fa tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery ny fery kimavo, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokan'ny mpisorona hafitoana, izay voan'ny fery kimavo. 32 Ary hozahan'ny mpisorona ny fery amin'ny andro fahafito. Raha tsy nanitatra ny kimavo sady tsy misy volon-koditra tomamotamo ary tsy latsaka noho ny hoditra no fijery azy, 33 dia hiharatra ilay voan'ny kimavo, afa-tsy amin'izay misy ny fery, ary hanokan-toerana azy hafitoana indray ny mpisorona; 34 ka amin'ny andro fahafito ny mpisorona hizaha ny fery kimavo indray: raha tsy nanitatra eo amin'ny hoditra ny kimavo, sady tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, dia holazain'ny mpisorona hoe madio izany olona izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio. 35 Rahefa nolazaina hoe madio anefa izy, no nanitatra eo amin'ny hoditra ny kimavo, 36 dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nanitatra eo amin'ny hoditra ny fery kimavo dia tsy ilaina intsony izay hizahan'ny mpisorona raha misy volon-koditra tomamotamo; fa maloto izany olona izany. 37 Fa raha tsy nitatra ny fery kimavo araka ny fijery azy sady misy volon-koditra mainty maniry koa eo, dia sitrana ny kimavo, ka madio ilay olona ary holazain'ny mpisorona hoe madio izy. 38 Raha misy lehilahy na vehivavy misy mamaritra fotsifotsy ny hoditry ny nofony, dia hozahan'ny mpisorona izy.

39 Raha mamaritra fotsy matromatroka ny hodiny ao amin'ny nofony, dia forofotra maniry amin'ny hodiny izany, ka madio izy. 40 Raha misy lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ny lohany, madio ihany izy.

41 Raha ny volony anoloana no mihintsana dia mazavaray izy, madio ihany. 42 Fa raha misy fery mangia-potsy somary mena eo amin'ny faritra sola, na anoloana na an-damosina, dia habokàna mipoitra eo amin'ny faritra sola, na an-damosina na anoloana izany. 43 Hozahan'ny mpisorona izy. Raha mamontsina mangia-potsy somary mena ny faritra sola na an-damosina na anoloana, ka miendrika habokàna amin'ny hoditry ny nofo, 44 dia olona boka izy, ka maloto, ary holazain'ny mpisorona hoe maloto: eo amin'ny lohany ny feriny. 45 Izay boka ferèna dia hanao fitafiana voatriatra, ny volony harakarakany, ny volom-bavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e, maloto e!

46 Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan'ny feriny. Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan'ny toby. 47 Raha misy fery habokàna amin'ny fitafiana rongony na volon'ondry,

48 amin'ny kofehy rongony na volon'ondry, hatao tenany na fahany, amin'ny hoditra na amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, 49 raha maitsomaitso na menamena ny fery eo amin'ny fitafiana, na amin'ny hoditra, na amin'ny kofehy hatao tenany na fahany, na amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, na inona na inona izany, dia fery habokàna izany, ka haseho ny mpisorona. 50 Rahefa voazahan'ny mpisorona ny fery, dia hatokany toerana hafitoana ilay zavatra voa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2191