Levitika

Toko faha-16

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh taorian'ny nahafatesan'ireo zanak'i Aarona roa lahy, izay novonoina tamin'izy nanatona ny tavan'ny Tompo.

2 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Ilazao Aarona rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin'ny fitoerana masina, anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin'ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho ao amin'ny rahona eo ambonin'ny fanaovam-panavotana aho. 3 Ary izao no fomba harahin'i Aarona raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: Haka vantotr'ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana.

4 Ny toniky masina vita amin'ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hihetrany ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rahefa avy nandro tamin'ny rano izy. 5 Handray osilahy roa hatao sorona noho ny ota izy sy ondralahy iray hatao sorona dorana avy amin'ny fiangonan'ny zanak'Israely. 6 Hatolotr'i Aarona ny ombalahiny noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy. 7 Rahefa izany, halainy ny osilahy roa, ka hapetrany eo anatreha'Iaveh, eo amin'ny varavarana fidirana amin'ny trano lay fihaonana. 8 Dia anaovany loka ireo: ny loka iray ho an'ny Tompo ary ny loka iray ho an'i Azazela. 9 Hampanatonin'i Aarona ny osilahy iray niharan'ny loka ho an'ny Tompo, ka hatolony ho sorona noho ny ota. 10 Fa ny osilahy iray niharan'ny loka ho an'i Azaela kosa, hapetrany velona eo anatrehan'ny Tompo, hanaovana ny fanonerana ao aminy, dia halefany ho any an'efitra ho an'i Azazela. 11 Koa hatolotr'i Aarona ny ombalahy atao sorona noho ny ota, izay ho azy, dia hanaovany ny fanonerana ho azy sy ny ankohonany. Rahefa avy namono ny ombalahy sorona noho ny ota izy,

12 dia haka fanembohana feno vain'afo avy eo ambonin'ny otely, eo anatrehan'ny Tompo sy vovo-java-manitra eran-tànan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin'ny efitra lamba. 13 Hataony eo ambonin'ny afo, eo anatrehan'ny Tompo ny zava-manitra, mba ho voasaron'ny setroky ny zava-manitra ny fanaovam-panavotana, eo ambonin'ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy. 14 Ary hangalany ny ràn'ny ombalahy, hafafin'ny rantsan-tànany amin'ny fanaovam-panavotana amin'ny lafiny atsinanana ary hafafin'ny rantsan-tànany impito eo anoloan'ny fanaovam-panavotana. 15 Dia hovonoiny ny osilahy, sorona noho ny ota, izay ho an'ny vahoaka ka hoentiny miditra ao anatin'ny efitra lamba ny rany, hataony tahaka ny nanaovany ny ràn'ny ombalahy; dia hafafiny amin'ny fanaovam-panavotana sy eo anoloan'ny fanaovam-panavotana. 16 Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an'ny fitoerana masina, noho ny fahalotoan'ny zanak'Israely sy noho ny fahadisoany rehetra, araka ny fahotany. Torak'izany koa no hataony ho an'ny trano lay fihaonana, izay mipetraka ao amin'izy ireo eo afovoan'ny fahalotoany. 17 Aza avela hisy olona eo an-trano lay fihaonana, raha miditra izy hanao ny fanonerana ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pivoakany. Hanao ny fanonerana ho an'ny tenany sy ny ankohonany ary ny fiangonan'Israely rehetra izy. 18 Rahefa hivoaka, dia ho eo amin'ny otely eo anatrehan'ny Tompo izy, hanao ny fanonerana ho an'ny otely, hangalany ny ràn'ny ombalahy sy ny ràn'ny osilahy, anentenany ny tandroky ny otely, manodidina; 19 hofafazan'ny rantsan-tànany impito amin'ny rà ny eo ambonin'ny otely, ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin'ny fahalotoan'ny zanak'Israely. 20 Rahefa vitany ny fanonerana ho an'ny fitoerana masina sy ny trano lay fihaonana ary ny otely, dia hateriny ny osilahy velona;

21 hapetrak'i Aarona eo ambonin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, dia holazainy eo amboniny avokoa ny otan'ny zanak'Israely sy ny fahadisoany rehetra araka izay fahotana nataony, hataony eo ambonin'ny lohan'ilay osilahy izany ota izany, vao halefany ho any an'efitra izy, hoentin'ny olona efa voaomana. 22 Dia hoentin'ity osilahy amin'ny tenany ho any amin'ny tany tsy misy mponina ny otan'izy rehetra, ka halefan'ilay olona any an'efitra ny osilahy. 23 Ary Aarona hiditra amin'izay ao an-trano lay fihaonana: havelany ny fanamiana rongony niakanjoany hoentiny miditra ao amin'ny fitoerana masina, ka rahefa voapetrany ao,

24 dia handro amin'ny rano izy, amin'izay toerana masina, vao hiakanjo ny fanamiany indray. 25 Izay izy vao hivoaka hanolotra ny sorony dorana sy ny an'ny vahoaka, hanao ny fanonerana ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoaka, ary hodorany hanetona eo ambonin'ny otely ny saboran'ny sorona noho ny ota. 26 Ilay nandefa ny osilahy ho an'i Azazela, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano aloha, vao hiditra ao an-toby. 27 Ary ny ombalahy noho ny ota sy ny osilahy noho ny ota, izay nentin-drà tao amin'ny fitoerana masina hanaovana ny fanonerana, dia ho enti-mivoaka any ivelan'ny toby, dia hodorany amin'ny afo ny hodiny, ny tenany ary ny tain-drorohany. 28 Hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izay nandoro azy, vao hiditra ny toby. 29 Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin'ny volana fahafito, andro fahavalon'ny volana, hampijaly tena hianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo.

30 Fa amin'izany andro izany no hanaovana ny fanonerana ho anareo, mba hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra, eo anatrehan'ny Tompo, hianareo. 31 Sabata ho anareo izany, andro fitsaharana; ary hampijaly tena hianareo. Lalàna tsy tapaka io. 32 Ny hanao ny fanonerana dia izay mpisorona efa nandray ny fanosorana sy efa voatokana hanao ny raharahan'ny fisoronana mandimby an-drainy. Hitafy fanamiana rongony madinika, fanamiana masina izy;

33 Hanao ny fanonerana ho an'ny fitoerana masin'ny fahamasinana izy, hanao ny fanonerana ho an'ny trano lay fihaonana sy ho an'ny otely; hanao ny fanonerana ho an'ny mpisorona, ary ho an'ny vahoaky ny fiangonana rehetra. 34 Lalàna tsy tapaka ho anareo izao: hatao indray mandeha isan-taona ny fanonerana ho an'ny zanak'Israely noho ny fahotany. Dia nataon'ny olona izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899