Levitika

Toko faha-17

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Mitenena hianao amin'i Aarona sy ny zanany ary ny zanak'Israely rehetra, lazao aminy hoe: Izao no didin'ny Tompo: 3 Na zovy na zovy amin'ny taranak'Israely mamono omby na ondry na osy, ao an-toby na any ivelan'ny toby,

4 nefa tsy nitondra azy teo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an'ny Tompo, eo anoloan'ny Fonenan'ny Tompo, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-drà izy, ka hofongorana amin'ny fireneny izany olona izany; 5 mba tsy hoe eny an-tsaha no hamonoan'ny zanak'Israely ny zavatra vonoiny, fa hoentiny amin'ny mpisorona, eo anatrehan'ny Tompo, ao anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana, hateriny ho sorona fihavanana amin'ny Tompo. 6 Ny rà hatopin'ny mpisorona amin'ny otelin'ny Tompo, eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana; ny sabora hodorany hanetona ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 7 Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an'ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin'ny taranaka mifandimby izany. 8 Izao koa no lazao amin'izy ireo: Na zovy na zovy amin'ny taranak'Israely na amin'ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,

9 ka tsy mitondra ny sorona eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana, hatolotra ho sorona amin'ny Tompo, dia hofongorana amin'ny fireneny izany olona izany. 10 Na zovy na zovy amin'ny taranak'Israely, na amin'ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ràm-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-drà ny tavako, ka hofongorako amin'ny fireneny izy;

11 satria ny ain'ny nofo dia amin'ny rà, ka ny hanolorana azy eo amin'ny otely hanaovana fanonerana ho an'ny ainareo, no nanomezako azy anareo, fa noho ny aina ao aminy no ahavitan'ny rà fanonerana. 12 Izany no nilazako tamin'ny zanak'Israely hoe: Aza misy mihinan-drà hianareo, ary ny vahiny mitoetra ao aminareo aza misy mihinan-drà. 13 Na zovy na zovy amin'ny taranak'Israely, na amin'ny vahiny mitoetra eo afovoany, mihaza ka mahazo biby na vorona fihinana, dia hararany ny rany, sy hototofany tany,

14 satria ny rany no ain'ny nofo rehetra; izy no ainy. Izany no nilazako tamin'ny zanak'Israely hoe: Aza mihinana ny ràn'ny nofo, na nofon'inona na nofon'inona, fa ny ain'ny nofo rehetra, dia ny rany; ka hofongorana izay mihinana izany. 15 Ny olona rehetra tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro, vao hadio.

16 Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy ny tenany izy, dia hivesatra ny otany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0878