Levitika

Toko faha-19

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny fiangonan'Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina aho, Iaveh Andriamanitrareo. 3 Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny sabatako. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

4 Aza mitodi-doha amin'ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

5 Raha manatitra sorom-pihavanana amin'ny Tompo hianareo, ataovy arak'izay hahazoanareo sitraka aminy, izany.

6 Izay andro hamonoana ny sorona, na ny ampitson'izay, no hihinanana azy; izay sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo. 7 Raha misy mihinana amin'izany amin'ny andro fahatelo, dia fahavetavetana izany, ka tsy hankasitrahana ny sorona. 8 Ary izay mihinana azy amin'izany, dia hilonjy ny helony, fa mametaveta ny zava-boahasina ho an'ny Tompo, ka hofongorana amin'ny fireneny izany olona izany. 9 Raha mijinja ny vokatry ny taninareo hianareo, aza mijinja ny sahanao hatrany am-paran'ny sisiny indrindra, ary aza fakoinao izay mbola hotsimponin'ny hafa amin'ny varinao.

10 Aza mioty ny salohiny tavela amin'ny voalobokao; ary aza mitsimpona ny voankazo latsaka amin'ny sahanao; fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 11 Aza mangalatra, aza mifamitaka na mifandainga hianareo.

12 Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, fa fanamavoana ny anaran'Andriamanitrao izany. Izaho no Iaveh.

13 Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tànanao miloak'alina ny karaman'ny mpikarama.

14 Aza manozona ny marenina, na mametraka eo alohan'ny jamba izay zavatra mety hamotraka azy, fa matahora an'Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.

15 Aza manao ny tsy rariny amin'ny fitsarana: ny mahantra aza ananana tombom-pitia, ny manan-karena aza ananana fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.

16 Aza manely fanaratsiana eo amin'ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ràn'ny namanao. Izaho no Iaveh.

17 Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.

18 Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin'ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh. 19 Tandremo ny didiko. Aza mampivady biby samihafa karazana; aza mamafy voan-javatra roa karazana amin'ny tanimbolinao, ary aza mitafy fitafiana voatenona tamin'ny kofehy roa karazana.

20 Raha misy lehilahy mandry sy miray amim-behivavy andevon'olona ka efa voafofon-dehilahy hafa, nefa mbola tsy voavotra na afaka, dia hofaizina izy roroa, nefa tsy hohelohin-ko faty, satria tsy olona afaka ravehivavy.

21 Ary ho sazin'ny fahotany dia hoentin-dralehilahy amin'ny Tompo ny ondralahy iray eo anoloan'ny varavaran'ny trano lay fihaonana hatao sorona fanonerana. 22 Ny mpisorona dia hanao fanonerana ho azy, eo anatrehan'ny Tompo amin'ny ondralahy fisoronam-panonerana, noho ny fahotana nataony, ka dia havela ny fahotana nataony. 23 Raha avy izay hahatafidiranareo any amin'ny tany, ka efa namboly hazo mamoa isan-karazany hianareo, dia ataovy ho toy ny tsy voafora ny voany; mandritra ny telo taona dia ho tsy voafora ho anareo izany, ka aza hihinanana.

24 Ary amin'ny taona fahefatra, atokany ho fiderana an'ny Tompo ny voany rehetra. 25 Fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany hianareo, ka hitohy ny fahavokaran'ny hazo ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 26 Aza mihinan-javatra miharo rà. Aza manao sikidy na fankatoavana.

27 Aza hetezana atao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny sisim-bolombavanareo. 28 Aza mitetika ny tenanareo raha misy maty, na manao sary tombo-kavatsa amin'ny tenanareo. Izaho no Iaveh. 29 Aza mandoto ny zanakavavinao amin'ny fampijangajanganana azy, fandrao mivarilavo amin'ny fijangajangana ny tany, ka feno heloka.

30 Tandremo ny sabatako ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh.

31 Aza manatona an'izay mpamoha angatra na mpisikidy, aza maka hevitra aminy, mba tsy ho voalotony hianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

32 Mitsangàna raha manoloana ny fotsy volo, hajao ny olona efa tratra antitra; ary matahora an'Andriamanitra. Izaho no Iaveh.

33 Raha misy vahiny tonga miara-monina aminareo, eo amin'ny taninareo, aza mampahory azy.

34 Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tànanao izy; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

35 Aza manao ny tsy marina na amin'ny fitsarana na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjàna, na amin'ny famarana.

36 Fa mizàna marina, vato-mizàna marina, efah marina, ary hina marina no tano. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, izay namoaka anareo tany amin'ny tany Ejipta. 37 Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko rehetra, ka araho izany. Izaho no Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885