Levitika

Toko faha-19

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny fiangonan'Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina aho, Iaveh Andriamanitrareo. 11 Aza mangalatra, aza mifamitaka na mifandainga hianareo.

12 Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, fa fanamavoana ny anaran'Andriamanitrao izany. Izaho no Iaveh.

13 Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tànanao miloak'alina ny karaman'ny mpikarama.

14 Aza manozona ny marenina, na mametraka eo alohan'ny jamba izay zavatra mety hamotraka azy, fa matahora an'Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.

15 Aza manao ny tsy rariny amin'ny fitsarana: ny mahantra aza ananana tombom-pitia, ny manan-karena aza ananana fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.

16 Aza manely fanaratsiana eo amin'ny firenenao. Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ràn'ny namanao. Izaho no Iaveh.

17 Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.

18 Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin'ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0645