Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Levitika

Levitika toko 19, 1-2,17-18,
Lalàna samihafa momba ny fitondran-tena.

       1Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe: 2Mitenena amin'ny fiangonan'Israely rehetra, lazao aminy hoe:
Aoka ho masina hianareo, satria masina aho, Iaveh Andriamanitrareo.
       17Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. 18Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin'ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh. >