Levitika

Toko faha-21

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mitenena amin'ny mpisorona zanak'i Aarona ka lazao azy ireo hoe: Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin'ny fireneny,

2 afa tsy amin'ny havany miray rà aminy, ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny, 3 ary ny anabaviny, virjiny miray trano aminy fa mbola tsy manam-bady; raha izy io no maty dia mahazo mandoto tena izy. 4 Filohany amin'ny fireneny izy ka tsy handoto tena na hanamavo ny fiamboniany. 5 Ny mpisorona tsy hanaratra ny lohany, tsy hanala ny sisin'ny volombavany, ary tsy hanisy tetika amin'ny tenany. 6 Ho masina ho an'ny Andriamaniny izy, ary tsy hanevateva ny anaran'ny Andriamaniny, satria izy ireo manolotra amin'ny Tompo ny sorona dorana amin'ny afo, ny mofon'ny Andriamaniny, ho masina izy. 7 Tsy hanambady vehivavy janga na efa afa-baraka izy; tsy hanambady vehivavy efa voasaotry ny lahy, fa masina ho an'ny Andriamaniny ny mpisorona. 8 Hataonao ho masina izy, fa manolotra ny mofon'ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina aho Iaveh, izay manamasina anareo. 9 Raha zanakavavin'ny mpisorona no manala bara-tena mijangajanga dia manala baraka an-drainy izy, ka hodorana amin'ny afo. 10 Ny mpisorona lehibe izay ambonin'ireo rahalahiny, izay nampidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sy voatokana hitafy ny fanamiana masina, tsy hanala satroka ny lohany, na handriatra ny fitafiany.

11 Tsy hiditra am-paty izy ka tsy handoto ny tenany, na amin'ny rainy na amin'ny reniny. 12 Tsy hivoaka ny fitoerana masina izy, tsy hametaveta ny fitoerana masin'ny Andriamaniny, fa fehiloha voninahitra ao aminy ny diloilo masin'ny Andriamaniny. Izaho no Iaveh. 13 Izay mbola virjiny no halainy ho vady. 14 Tsy haka ho vady ny efa maty vady, na ny vehivavy efa voasaotra, na ny vehivavy efa afa-baraka, na ny mpijangajanga, fa izay mbola virjiny eo amin'ny fireneny ihany, no halainy ho vady. 15 Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin'ny fireneny izy, fa izaho no Iaveh manamasina azy. 16 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

17 Mitenena amin'i Aarona ka lazao hoe: Tsy hisy hanatona hanolotra ny mofon'ny Andriamanitrao, izay olona rehetra manan-kilemam-batana, amin'ny taranakao hatramin'ny fara mandimby. 18 Fa izay manan-kilemam-batana na iza na iza, dia tsy hanatona: na olona jamba, na mandringa, na izay nahafahana, na izay manan'amby; 19 na olona misy tapaka amin'ny tongony na amin'ny tànany, 20 izay vokoka, na zeny, na mipentina ny masony, izay hatenina, izay anakandroana, ny torotoro vihy. 21 Tsy hisy hanatona hanolotra ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo ny olon-drehetra amin'ny taranak'i Aarona mpisorona, izay manan-kilemam-batana, fa manan-kilemam-batana izy, ka aza manatona izy hanolotra ny mofon'ny Andriamaniny. 22 Azony hanina ihany ny mofon'ny Andriamaniny, ny zava-masina dia masina, ny zava-masina. 23 Fa tsy handroso amin'ny efitra lamba izy, tsy hanatona ny otely, satria manan-kilemam-batana izy; tsy handoto ny fitoerako masina, fa izaho no Iaveh manamasina azy ireo. 24 Dia nolazain'i Moizy izany tamin'i Aarona sy ny zanany ary ny zanak'Israely rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0904