Levitika

Toko faha-23

15 Ary miantomboka amin'ny ampitson'ny sabata amin'ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka hianareo.

16 Hanisa andro dimampolo hianareo aloha mandra-pahatongan'ny ampitson'ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin'ny Tompo. 17 MitondrĂ , avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra ahevaheva, natao tamin'ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon'ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an'ny Tompo izany.

18 Miaraka amin'ireo mofo ireo, ny haterinareo amin'ny Tompo ho sorona dorana dia zanak'ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr'ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin'ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo izany. 19 Dia mamonoa koa osilahy iray ho sorona noho ny ota, sy zanak'ondry roa, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. 20 Hahevahevan'ny mpisorona ireny miaraka amin'ny mofo santa-bokatra ho fanatitra ahevaheva, eo anatrehan'ny Tompo, mbamin'ny zanak'ondry roa, dia ho voatokana ho an'ny Tompo, ka ho anjaran'ny mpisorona. 21 Amin'io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. LalĂ na tsy tapaka ho an'ny taranakareo izany, any amin'izay tany rehetra honenanareo. 22 Rahefa mijinja ny vokatrareo hianareo any amin'ny taninareo, aza dia jinjaina hatrany an-tsisiny indrindra ny sahanareo, ary aza dia fakoina amin'ny vokatrao ny hotsimponin'ny hafa, fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1542