Levitika

Toko faha-4

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin'ny didin'ny Tompo momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin'ireny izy; 3 Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin'izany, dia vantotr'ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin'ny Tompo, noho ny otany, ho sorona fanonerana.

4 Hitondra ny vantotr'ombalahy ho eo anoloan'ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan'ny Tompo, dia hametraka ny tànany eo ambonin'ny lohan'ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan'ny Tompo. 5 Ny mpisorona efa voahosotra haka amin'ny ràn'ny ombalahy sy hitondra izany ho ao an-trano lay fihaonana, 6 hanoboka ny rantsan-tànany ao amin'ny rà, hamafy izany impito eo anatrehan'ny Tompo, tandrifin'ny efitra lamban'ny fitoerana masina. 7 Ny mpisorona hanentina rà ny tandroky ny otely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan'ny Tompo ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny rà rehetra avy amin'ny ombalahy eo ambodin'ny otely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana. 8 Halaina avokoa ny saboran'ny ombalahy natao sorona noho ny ota, dia ny sabora saron-tsinainy, ny sabora miray amin'ny tsinainy, 9 ny voany roa ary ny fonom-boany izay miraikitra amin'ny faritry ny voany, ary ny saron'atiny izay hendahany ao akaikin'ny voany. 10 Toy ny fanalana izany amin'ny ombalahy atao sorom-pihavanana; hodorany izany hanetona eo ambonin'ny otely fanaovan-tsorona dorana. 11 Fa ny hoditry ny ombalahy, ny henany rehetra, mbamin'ny lohany, ny tongony, ny taovany, ny tain-drorohany, 12 ary ny ombalahy manontolo havoakany any ivelan'ny toby, amin'ny fitoerana madio, fanariana ny lavenona, dia hodorany amin'ny afo eo ambony kitay hazo; ka eo ambonin'ny antontan-davenona no handorany azy. 13 Raha ny fiangonan'Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin'ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran'ny Tompo tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin'izany;

14 rahefa fantatra ny ota nataony, dia vantotr'ombalahy iray no haterin'ny fiangonana, ho sorona fanonerana, hoentiny eo anoloan'ny trano lay fihaonana. 15 Ka ny loha fiangonana hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny ombalahy, eo anatrehan'ny Tompo, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan'ny Tompo. 16 Ny mpisorona voahosotra hitondra amin'ny ràn'ny ombalahy ho ao an-trano lay fihaonana; 17 dia hanoboka ny rantsan-tànany ao amin'ny rà, hamafy izany impito, eo anatrehan'ny Tompo, tandrifin'ny efitra lamba; 18 hanentina rà ny tandroky ny otely, izay eo anatrehan'ny Tompo ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny rà rehetra eo ambodin'ny otely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan'ny trano lay fihaonana. 19 Rahefa izany, halainy daholo ny saboran'ny vantotr'ombalahy, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely. 20 Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan'ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony. 21 Havoakany ho any ivelan'ny toby ny ombalahy, dia hodorany toy ilay ombalahy voalohany teo. Izany no sorona noho ny otan'ny fiangonana. 22 Raha mpifehy no nanota, nanao tsy nahy zavatra anankiray amin'izay noraran'ny Tompo Andriamaniny tsy hatao ka tonga meloka tamin'izany,

23 rahefa fantany ny fahotana nataony, dia osilahy tsy misy kilema no fanatitra hoentiny; 24 hametra-tànana eo ambonin'ny lohany izy sy hamono azy eo amin'ny fitoerana famonoana ny sorona dorana, eo anatrehan'ny Tompo, fa fanatitra noho ny ota izany. 25 Ny mpisorona haka amin'ny rantsan-tànany amin'ny ràn'ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin'izany ny tandroky ny otely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny rà eo an-tongotr'io otely io. 26 Rahefa izany, hodorany daholo eo ambonin'ny otely ny sabora, toy ny fandoroana ny sabora amin'ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany. 27 Raha ny iray amin'ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin'ny zavatra noraran'ny Tompo tsy hatao, ka tonga meloka izy;

28 rahefa fantany ny helony, dia osivavy lava volo, tsy misy kilema, no hatolony hatao fanatitra noho ny fahotana nataony. 29 Hametra-tànana eo ambonin'ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin'ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana/ 30 Ny mpisorona haka amin'ny rantsan-tànany amin'ny ràn'ny sorona, hanentina amin'izany ny tandroky ny otely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny rà rehetra eo an-tongotry ny otely. 31 Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalàna ny sabora amin'ny sorom-pihavanana ka hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ho an'izany olona izany, dia ho voavela ny otany. 32 Raha zanak'ondry no entiny hatao sorona noho ny ota, dia izay vavy tsy misy kilema no hoentiny.

33 Hametra-tànana eo ambonin'ny lohan'ny sorona noho ny ota izy sy hamono zay ho sorona fanonerana, eo amin'ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana. 34 Ny mpisorona haka amin'ny rantsan-tànany amin'ny ràn-tsorona, hanentina ny tandroky ny otely fanaovan-tsorona dorana amin'izany, ary hanidina ny rà rehetra eo an-tongotry ny otely. 35 Dia halany daholo ny sabora toy ny fanalàna ny saboran'ny zanak'ondry amin'ny sorom-pihavanana dia hodoran'ny mpisorona hanetona eo ambonin'ny otely, eo ambonin'ny sorona atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo. Toy izany no hanaovan'ny mpisorona ny fanonerana ho an'izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2382