Levitika

Toko faha-6

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Omeo an'i Aarona sy ny zanany izao didy izao, lazao azy hoe: Izao no lalàna momba ny sorona dorana: Hirehitra mandritra ny alina, mandra-pahamaraina, eo am-patan'ny otely ny sorona dorana; ary velomina eo mandrakariva ny afon'ny otely. 3 Isa-maraina ny mpisorona, rahefa niakanjo ny toniky rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin'ny otely, ka hametraka azy eo anilan'ny otely. 4 Rahefa izany, havelany ny fanamiana, dia hosoloany hafa, hitondrany ny lavenona any ivelan'ny toby, amin'ny fitoerana madio. 5 Hovelomina tsy havela ho faty ny afo eo ambonin'ny otely. Isa-maraina ny mpisorona no hampirehitra kitay hazo eo, dia handahatra ny sorona dorana eo amboniny, sy handoro ny saboran'ny sorom-pihavanana hanetona eo. 6 Tsy maintsy misy afo tsy maty, mirehitra mandrakariva, eo ambonin'ny otely. 7 Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr'ireo zanak'i Aarona eo anatrehan'ny Tompo, eo anoloan'ny otely izy. 8 Dia hangalan'ny mpisorona eran-tànan'ila ny lafarina tsara indrindra mbamin'ny diloilo ao aminy miaraka amin'ny emboka rehetra eo ambonin'ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely izany ho hanitra ankasitrahana, ho fahatsiarovana an'ny Tompo. 9 Izay sisa amin'ny fanatitra dia hohanin'i Aarona sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin'ny fitoerana masina, amin'ny kianjan'ny trano lay fihaonana. 10 Tsy handrahoina amin'ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy avy amin'ny fanatitra hodorana amin'ny afo ho ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana. 11 Ny lahy rehetra amin'ny zanak'i Aarona no hihinana amin'izany. Lalàna tsy tapaka hatrany amin'ny taranakareo izany, ny amin'ny fanatitra atao amin'ny afo, ho an'ny Tompo. Ho masina izay rehetra hikasika izany. 12 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

13 Izao no fanatitra hataon'i Aarona sy ny zanany amin'ny Tompo, amin'ny andro handraisany ny fanosorana: lafarina tsara indrindra ampahafolon'ny efah ho fanatitra tsy tapaka, antsasany maraina, antsasany hariva. 14 Amin'ny lapoaly no handrahoana azy, ka hasiana diloilo; ary rahefa mendy izy, dia hoentinao ka haterinao voavakivaky, ho fanatitra voavakivaky, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. 15 Hanao izany fanatitra izany koa izay mpisorona voahosotra ka handimby amin'ny taranany: lalàna tsy tapaka eo anatrehan'ny Tompo izany. Hisondro-ko etona avokoa izy. 16 Ny fanatitra rehetra avy amin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina. 17 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

18 Mitenena amin'i Aarona sy ny zanany, ka lazao hoe: Izao no lalàna momba ny sorona noho ny ota: eo amin'ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no famonoana ny sorona noho ny ota, eo anatrehan'ny Tompo; zava-masina dia masina izany. 19 Izay mpisorona hanolotra ny sorona noho ny ota no hihinana azy, ka eo amin'ny toerana masina, amin'ny kianjan'ny trano lay fihaonana no hihinanana azy. 20 Ho masina avokoa izay hikasika ny nofony. Raha misy fitafiana nipitihan'ny rany, dia hosasanao eo amin'ny toerana masina izay faritra nipitihan'ny rà. 21 Izay vilany tany andrahoana azy, dia ho montsanina, fa raha vilany varahina no andrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano. 22 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no hihinana amin'izany zava-masina dia masina izany. 23 Tsy nisy hohanina anefa ny sorona rehetra noho ny ota, izay angalana ny ràny hoentina ao an-trano lay fihaonana, hanaovam-panavotana ao amin'ny fitoerana masina, fa hodorana amin'ny afo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1113