Levitika

Toko faha-9

1 Nony mby amin'ny andro fahavalo, nampanalain'i Moizy Aarona sy ny zanany ary ny loholon'Israely,

2 ka hoy izy tamin'i Aarona: Makà hianao zanak'omby tanora hatao sorona noho ny ota, sy ondralahy iray hatao sorona dorana izay samy tsy manan-kilema, ka atolory eo anatrehan'ny Tompo. 3 Ary mitenena amin'ny zanak'Israely lazao hoe: Makà hianareo osilahy iray, hatao sorona noho ny ota; ary zanak'omby iray, sy zanak'ondry iray, samy efa iray taona sy tsy misy kilema avy, hatao sorona dorana; 4 omby iray sy ondralahy iray hatao sorom-pihavanana, hovonoina eo anatrehan'ny Tompo, ary fanatitra voaharo diloilo. Fa hiseho aminareo anio Iaveh. 5 Dia nentin'izy ireo, ho eo anoloan'ny trano lay fihaonana izay rehetra nandidian'i Moizy azy, ary nanatona avokoa ny fiangonana rehetra ka nijanona teo anatrehan'ny Tompo.

6 Ary hoy Moizy: Ataovy izay andidian'ny Tompo anareo, ka hiseho aminareo ny voninahitry ny Tompo. 7 Dia hoy Moizy tamin'i Aarona: Manatòna ny otely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an'ny tenanao sy ho an'ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian'ny Tompo. 8 Dia nanatona ny otely Aarona, namono ny zanak'omby hatao sorona noho ny ota, hatolotra ho an'ny tenany.

9 Ary natolotr'ireo zanak'i Aarona azy ny rà, ka natsobony tao ny rantsan-tànany, notentenany ny tandroky ny otely, ary naidiny teo an-tongotry ny otely ny rà. 10 Nodorany hanetona eo ambonin'ny otely ny saborany, ny voany, ny saron'atiny, tamin'ny sorona noho ny ota, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 11 Fa ny nofony aman-kodiny kosa, nodorany tamin'ny afo tany ivelan'ny toby. 12 Novonoiny koa ny sorona dorana ka nony natolotr'ireo zanak'i Aarona azy ny rà, dia naidiny manodidina tamin'ny otely.

13 Natolotr'ireo azy indray, ny sorona dorana voatetika, mbamin'ny lohany, dia nodorany hanetona eo ambonin'ny otely. 14 Ary nosasany ny tsinainy aman-tongony, dia nodorany hanetona eo ambonin'ny otely tambonin'ny sorona dorana. 15 Nanolotra ny fanatitry ny vahoaka izy. Nalainy ny osilahy hatao sorona noho ny ota atolotra ho an'ny vahoaka, dia novonoiny ary natolony ho fanonerana torak'ilay sorona voalohany.

16 Natolony koa ny sorona dorana, ary novonoiny araka ny fomba fanaovana azy. 17 Ary natolony ny fanatitra: nakany eran-tànan'ila, nodorany ambonin'ny otely fanampin'ny sorona dorana maraina. 18 Novonoiny ny ombalahy aman'ondralahy hatao sorom-pihavanana ho an'ny vahoaka. Natolotr'ireo zanak'i Aarona azy ny rà, ka dia naidiny manodidina amin'ny otely. 19 Natolony koa ny tavin'ombalahy aman'ondralahy, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy, ny voany, ary ny saron'atiny; 20 napetrany teo ambonin'ny tratran'izy ireo ny saborany; dia nodoran'i Aarona hanetona eo ambonin'ny otely ny sabora. 21 Rahefa izany dia nahevahevan'i Aarona teo anatrehan'ny Tompo ny tratran'ireo amam-peny havanana, ho fanatitra ahevaheva, araka ny nandidian'i Moizy. 22 Dia nasandratr'i Aarona manandrify ny vahoaka ny tànany, ka nitso-drano azy izy; ary nidina izy, nony avy nanolotra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana ary ny sorom-pihavanana.

23 Niditra tao an-trano lay fihaonana Moizy sy Aarona; nony nivoaka avy ao izy ireo, dia nitso-drano ny vahoaka. Ary niseho tamin'ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny Tompo. 24 Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan'ny Tompo nandevona ny sorona dorana mbamin'ny sabora teo ambonin'ny otely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853