Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

39 Niainga Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà,

40 ary niditra tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. 41 Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, 42 ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. 43 Ary avy aiza amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? 44 Fa indro raha vao ren'ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tao an-kiboko. 45 Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminy! 46 Ary hoy Maria: Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, 47 ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, 48 fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, 49 satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, 50 sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. 51 Nahefa asa mahery tamin'ny sandriny izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin'ny fisainan'ny fony;

52 naongany hiala tamin'ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany; 53 ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodiny mitondra tànam-polo. 54 Niahy an'Israely mpanompony izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony

55 tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin'ny razantsika. 56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin'i Elizabeta Maria vao nody tany an-tranony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1064