Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko voalohany
69 ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, 70 araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ireo mpaminaniny masina hatramin'ny andro tany aloha, 71 mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika. 72 He izany nanaovany famindra-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,73 dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika 74 fahafahana amin'ny tànan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika azy tsy aman-tahotra, 75 amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.