Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

26 Ary rahefa nandray enina izy, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriely ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta,

27 ho any amin'ny Virjiny anankiray fofom-badin'ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak'i Davida, ary ny anaran'ilay Virjiny dia Maria. 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao. 29 Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 30 Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak'Andriamanitra hianao. 31 Ary indro, hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. 32 Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen'Andriamanitra ny fiketrahan'i Davida rainy izy, ka hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba, 33 ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany. 34 Fa hoy Maria tamin'ilay anjely: Ahoana no hahatongavan'izany, fa tsy mahalala lahy aho?

35 Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao. 36 Ary indro, Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, 37 fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra atao. 38 Dia hoy Maria: Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao. Dia niala teo aminy ny anjely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0581