Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

35 Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao. 36 Ary indro, Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, 37 fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra atao. 38 Dia hoy Maria: Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao. Dia niala teo aminy ny anjely. 39 Niainga Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà,

40 ary niditra tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. 41 Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, 42 ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. 43 Ary avy aiza amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? 44 Fa indro raha vao ren'ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tao an-kiboko. 45 Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminy! 46 Ary hoy Maria: Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, 47 ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, 48 fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, 49 satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737