Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 1, 46-54
<46Ary hoy Maria:
Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, 47ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, 48fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, 49satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, 50sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
       51Nahefa asa mahery tamin'ny sandriny izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin'ny fisainan'ny fony; 52naongany hiala tamin'ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany; 53ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodiny mitondra t├ánam-polo.
       54Niahy an'Israely mpanompony izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony >