Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

13 Loza ho anao ry Korozaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidòna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona. 14 Noho izany, amin'ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Tira sy Sidòna noho ny ho aminareo. 15 Ary hianao, ry Kafarnaoma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin'ny afobe hianao. 16 Izay mihaino anareo mihaino ahy, ary izay manamavo anareo manamavo ahy; izay manamavo ahy anefa dia manamavo izay naniraka ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981