Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

38 Raha mbola nandeha izy ireo dia niditra tamin'ny vohitra anankiray Jesoa, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray azy tao an-tranony.

39 Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; 40 fa Marta kosa sahirana tamin'ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy. 41 Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby hianao, 42 nefa zavatra iray monja no ilaina; fa Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0683