Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 10. 25-28
25 Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy azy ka nanao hoe: Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? 26 Dia hoy Jeso taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? 27 Ary namaly izy ka nanao hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao. 28 Dia hoy Jeso taminy: Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona hianao.