Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

25 Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy azy ka nanao hoe: Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?

26 Dia hoy Jesoa taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? 27 Ary namaly izy ka nanao hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao. 28 Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1113