Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 10, 38-42

       <38Raha mbola nandeha izy ireo dia niditra tamin'ny vohitra anankiray Jesoa, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray azy tao an-tranony. 39Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; 40fa Marta kosa sahirana tamin'ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: Tompoko, tsy mampaninona anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy. 41Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby hianao, 42nefa zavatra iray monja no ilaina; fa Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy. >