Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

1 Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy, any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.

2 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin'ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. 3 Mandehana; indro aho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo afovoan'ny amboadia. 4 Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dàlana. 5 Amin'izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin'ity trano ity; 6 ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7 Ary mitoera amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. 8 Ary amin'izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo;

9 ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 10 Fa amin'izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: 11 Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin'ny tongotray aza dia ahintsanay hiampangana anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Lazaiko aminareo fa amin'izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma, noho ny ho amin'izany tanàna izany. 17 Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny anaranao.

18 Dia hoy Jesoa taminy: Nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra aho. 19 Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin'ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. 20 Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1408