Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

1 Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy, any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.

2 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin'ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. 3 Mandehana; indro aho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo afovoan'ny amboadia. 4 Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dàlana. 5 Amin'izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin'ity trano ity; 6 ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. 7 Ary mitoera amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. 8 Ary amin'izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo;

9 ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.134