Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

21 Tamin'izay nientan-kafaliana tamin'ny Fanahy Masina izy ka nanao hoe: Misaotra anao aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, noho hianao nanafina izany tamin'ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin'ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao.

22 Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanambarana azy. 23 Dia nitodika tamin'ny mpianany izy ka nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; 24 fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1222