Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

29 Ary nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazany hoe: Taranaka ratsy ity taranaka izy; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran'i Jonasa mpaminany.

30 Fa tahaka ny naha-famantarana an'i Jonasa tamin'ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak'olona koa amin'ity taranaka ity. 31 Hiara-mitsangana amin'ny olona amin'ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy any atsimo amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria niala avy tany amin'ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren'i Salomona, nefa indro misy mihoatra noho Salomona eto. 32 Hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity ny olona tany Niniva amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny toritenin'i Jonasa izy ireny, nefa indro misy mihoatra noho Jonasa eto.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1262