Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-11
42 Fa loza ho anareo, ry Farisiana, satria ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an'Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.43 Loza ho anareo, ry Farisiana, fa tia ny toerana voalohany ao amin'ny sinagoga sy ny arahaba eny an-kianja hianareo. 44 Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita hianareo, ka hitsahin'ny olona fa tsy fantany. 45 Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa hianao.
46 Fa hoy Jesoa: Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona hianareo, nefa na dia ny rantsan-tànanareo iray aza tsy akasikareo an'izany akory.