Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

1 Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jesoa, ka nony nitsahatra izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny mpianany.

2 Ary hoy izy taminy: Raha mivavaka hianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. 3 Omeo anay anio ny hanina ilainay isan'andro. 4 Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay. 5 Dia hoy indray izy taminy: Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho,

6 fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho, 7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho. 8 Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. 9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohana. 10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohana. 11 Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, 12 na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? 13 Koa raha hianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zavatsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1315