Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

1 Indray andro nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray Jesoa, ka nony nitsahatra izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny mpianany.

2 Ary hoy izy taminy: Raha mivavaka hianareo, manaova hoe: Ray รด, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. 3 Omeo anay anio ny hanina ilainay isan'andro. 4 Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2937