Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

14 Ary nandroaka demony Jesoa, ka moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka;

15 fa ny sasany tamin'izay teo nanao hoe: Belzeboba lehiben'ny demony no androahany ny demony; 16 ary ny sasany kosa naka fanahy azy ka nangataka famantarana avy an-danitra taminy. 17 Fa Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano; 18 ka raha miady an-trano àry Satana, ahoana no haharetan'ny fanjakany? satria lazainareo fa Belzeboba no androahako ny demony. 19 Ary raha amin'ny herin'i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin'ny herin'iza kosa no androahan'ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. 20 Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra;

22 fa raha tonga kosa ny mahery noho izy ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. 23 Izay tsy momba ahy, dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko, dia manahaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.214