Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

37 Raha mbola niteny izy, dia nisy Farisiana anankiray nanasa azy hisakafo ao aminy, ka niditra izy dia nipetraka nihinana.

38 Fa velona eritreritra ilay Farisiana nahita ity izy tsy nisasa alohan'ny fihinana, 39 ka hoy ny Tompo taminy: Hianareo Farisiana kosa iky mandio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. 40 Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy nanao ny atiny koa? 41 Izao ihany e: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899