Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

1 Tamin'izay dia tafangona an'arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin'ny mpianany Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan'ny lalivain'ny Farisiana hianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.

2 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. 3 Koa izay rehetra nolazainareo tao amin'ny maizina dia ho re ao amin'ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin'ny sofina tao an-trano, dia hotorina eny an-tafon-trano. 4 Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; 5 fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahotra izay manam-pahefana hamarina any amin'ny afobe rahefa novonoiny hianareo; eny, hoy izaho aminareo, matahora azy. 6 Moa tsy ilavoamena va no vidin'ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ireny na dia iray aza. 7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086