Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

49 Tonga hanipy afo ety ambonin'ny tany aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan'izany sahady!

50 Ary manana batemy hanaovana batemy ahy koa aho, ka ory manao ahoana aho ambara-pahatanterak'izany! 51 Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany aho? Tsia, hoy izaho aminareo, fa fampisarahana aza. 52 Satria hatramin'izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao andaniny, ka hifanohitra ny telo amin'ny roa, ary ny roa amin'ny telo; 53 ny ray amin'ny zanany lahy, ary zanakalahy amin'ny rainy; ny reny amin'ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny; ny rafozambavy amin'ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769