Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

54 Dia hoy koa izy tamin'ny vahoaka: Raha vao mahita rahona avy any andrefana hianareo, dia manao hoe: Ho avy ny orana, ka avy tokoa izy;

55 ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy hianareo: Hafana ny andro, ka tonga tokoa izany. 56 Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? 57 Nahoana koa no tsy amantaran'ny tenanareo izay marina?

58 Fa raha miara-mandeha amin'izay manana ady aminao hianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dàlana hianareo, fandrao tongany any amin'ny mpitsara hianao ka atolotry ny mpitsara amin'ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. 59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao hianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0545