Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

8 Ary lazaiko aminareo koa fa na iza na iza haneky ahy eo anatrehan'ny olona dia hoeken'ny Zanak'olona koa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;

9 fa izay handà ahy eo anatrehan'ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. 11 Raha entina ho any amin'ny sinagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana hianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo, 12 fa hatoron'ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1296