Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-13

31 Tamin'izay andro izay ihany dia nisy Farisiana sasany nanatona azy, ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eo hianao, fa tadiavin'i Heroda hovonoina.

32 Dia hoy izy tamin'ireo: Mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary aho anio sy rahampitso, fa amin'ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. 33 Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan'i Jerosalema. 34 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety hianareo! 35 Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony hianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795