Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-13

1 Tamin'izany andro izany ihany koa no nisy olona sasany tonga nilaza tamin'i Jesoa ny nanjo an'ireo Galileana, fa nalatsak'i Pilaty niaraka tamin'ny soron'izy ireo ny rany.

2 Ary novaliany hoe: Moa ataonareo fa ireny Galileana ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileana rehetra matoa nozoin-doza toy izany? 3 Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. 4 Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin'ny folo maty nianjeran'ny tilikambon'i Siloe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? 5 Tsia, hoy izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra. 6 Dia nanao ity fanoharana ity koa izy: Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin'ny tanim-boalobony, ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.

7 Dia hoy izy tamin'ny mpiasa ny tanim-boalobony: Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin'ity aviavy ity aho, nefa tsy mahita; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo? 8 Ary hoy ny mpiasa namaly azy: Aoka re ho eo ihany izy amin'ity taona ity, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika; 9 angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1509