Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-14

1 Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisiana anankiray Jesoa, dia nitsikilo azy izy ireo.

2 Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany. 3 Dia niteny Jesoa ka nanao tamin'ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisiana hoe: Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro sabata? 4 Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia noraisin'i Jesoa tamin'ny tànany kosa ralehilahy ka nositraniny ary nalefany handeha, 5 izay izy vao nilaza tamin'ireo hoe: Raha latsaka amin'ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro? 6 Fa tsy nanan-kavaly an'izany izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.05