Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-14

1 Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisiana anankiray Jesoa, dia nitsikilo azy izy ireo.

7 Rahefa izany nony hitan'i Jesoa ny hamaimaizan'ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo izy:

8 Raha asaina amin'ny fampakaram-bady hianao, aza mipetraka amin'ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho hianao, 9 ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: Omeo an'ity ny fitoeranao, ary amin'izay ho menatra hianao hifindra arĂ½ amin'ny fitoerana farany. 10 Fa raha asaina hianao, dia any amin'ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa; amin'izay dia hahazo voninahitra eo imason'izay rehetra hiara-mihinana aminao hianao. 11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1219