Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-14
15 Nony nandre izany ny anankiray tamin'izay niara-nihinana teo, dia nanao tamin'i Jesoa hoe: Sambatra lahy izay hanana anjara amin'ny fihinanam-be any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.16 Fa hoy izy taminy: Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. 17 Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe: Ndeha hianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra. 18 Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re mba tsy ho tsiniko. 19 Hoy kosa ny faharoa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hitsapa azy; koa mihanta aminao aho, aoka re mba tsy ho tsiniko. 20 Ary hoy koa ny anankiray: Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany. 21 Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin'ny tompony. Tezitra tamin'izay ny tompony ka nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Mandehana faingana mankany amin'ny kianja sy ny làlam-ben'ny tanàna, ka ento mankaty ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa. 22 Ary hoy ilay ankizilahy: Tompoko, vita ny nasainao atao, nefa mbola misy fitoerana ihany. 23 Dia hoy ny tompo tamin'ilay ankizilahy: Mandehana mankeny amin'ny làlam-be sy ny fefim-boly, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko. 24 Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafoko amin'ireo olona nasaina ireo na dia iray aza.